Toetr’andro : Hanakaiky ny 0°C ny mari-pana
20 Jolay, 09h 20 Hilatsaka be ny mari-pana manomboka amin’ny 21 jolay hatramin’ny 23 jolay izao. Hanakaiky ny 0°C izany ho an’ny faritra Vakinakaratra sy ny afovoan-tany ary hidina 5° hatramin’ny 8°C any amin’ireo faritra hafa.
Tamin’ny taona 2013 no nisy ny hatsiaka be tahak’izany farany teto Madagasikara. Tafidina -2°C ny mari-pana tamin’izany hoy ny lehiben’ny sampana mpamatatra ny toetr’andro, Rivo Randrianarison.
