Alasora : Hisy ny fivoriana mikasika ny fitaterana
Tsy vitsy tokoa ireo mponina mitaraina mikasika ny fitaterana ao amin’ny kaominina Alasora. Hisy ny fihaonana eo amin’ny mpitatitra sy ny kaoperativa ary ny avy ao amin’ny kaominina ny 24 Jolay 2022.
« Ety amin’ny kaominina no hanatanterahana ny fivoriana manomboka amin’ny 02 ora tolakandro. Manantena ny fahatongavan’ny kaoperativa sy ny lehiben’ny fokontany ary ny tompon’andraikitra eto amin’ny kaominina » hoy ny ben’ny tanàna ao Alasora, Randriantsoa Jimmy. « Mahakasika ny saran-dalana sy ny fanatsarana ny fitaterana no ho atao mandritra io fivoriana io. Manantena ny fahatongavantsika rehetra amin’izany ho fiaraha-mientana amin’ny fampandrosoana » hoy hatrany ny ben’ny tanàna.
Hirariana tokoa mba tena hilamina tsara ny lafin’ny fitaterana ao Alasora ho tombontsoan’ny maro.
Nicole Rafalimananjara
