ActualitésTatitra

Seychelles : Aldabra, fivondronana nosy voaaro amin’ny asan’ny olombelona

Nosy iray (atoll) amin’ireo mivondrona ao amin’i Seychelles i Aldabra. Ao andrefan’ny ranomasimbe indianina no misy azy. Tafiditra ao amin’ny vakoky ny Unesco izy nanomboka ny taona 1982. Toerana voajanahary voaaro mafy i Aldabra, toeran’ny « Ramsar » izy ary manan-danja goavana amin’ny fiarovana ny vorona.

« Atoll surélevé» lehibe indrindra eran-tany i Aldabra ary toerana fototra hitoeran’ny sokatra maitso ao amin’ny ranomasimbe indianina. Ao aminy no ahitana ny sokatra lehiben’i Seychelles betsaka indrindra sy ny vorona antsoina hoe « phaétons à brins rouges » ary ny « frégates ariel » sy « frégates du Pacifique » betsaka indrindra.

Ny afaka hitoeran’ny olombelona maharitra  io toerana io noho ny fahamainana sy ny tsy fisain’ny ranomamy, mpizahan-tany sy siantifika no tena mandalo ao aminy. Manoloana izany dia voaaro amin’ny asan’ny olombelona izy.

Laisser un commentaire