ActualitésTsidika

Taom-pianarana 2022-2023 : Hisy ny tsenaben’ny fidiran’ny mpianatra ao Alasora

Hotontosaina ny 28 hatramin’ny 30 jolay 2022 ny tsenaben’ny fidiran’ny mpianatra ao Alasora. « Halle de la rentrée 2022-2023 » no anaran’ity hetsika izay ho atao ao amin’ny Kianja maitso Alasora ity.

« Ho hitantsika amin’io fotoana io ireo fitaovam-pianarana ilain’ny ankizy rehetra. Hisy ihany koa fanentanana isan-karazany toy ny fampianarana sary sy ny maro hafa » hoy ny mpikarakara. « Isan’ny mpanohana amin’ity hetsika ity ihany koa ny kaominina eto Alasora. Manohana foana rehefa fanabeazana mitondra fanabeazana ho an’ny ankizy » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora.

Ho tonga amin’io fotoana io ihany ireo masoivoho manana tolotra ho an’ny mpianatra toy ny fiantohana. Tsara raha ho entina manatritra ity ny ankizy izay tombony lehibe ho an’ny kaominina Alasora. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire