Actualités

Syrie : Mpiady mpomba ny fitondrana sivy no maty tamin’ny fanafihana.

Mpiady sivy ao amin’ny tafiky ny mpomba ny fitondrana no maty ny marainan’ny alatsinainy 15 febroary. Toby fitahirizana fitaovam-piadiana, eo akaikin’ny Damas, renivohitr’i Syrie, no nokendren’ireo mpanafika tamin’izany, araka ny tatitry ny sampam-panaraha-maso momba ny zon’olombelona ao Syrie (OSDH). Nahitana balafomanga tamin’ny sasany amin’ireo toby fitahirizana nokendrena tao Damas, hoy ny ONG. Efa nisy ihany ny ezaka nataon’ny OSDH hanakanana ny sasany amin’ireo balafomanga saingy tsy izy rehetra no voatàna. Raha tsiahivina, ny taona 2020, ampolony maro ireo toerana nokendren’ny mpanafika ho tafihina, raha araka ny tatitra isan-taona navoakan’ny tafika avy ao Israël.

Laisser un commentaire