ActualitésTatitra

Pays-Bas : Fitaovam-pitanterana be mpampiasa indrindra ao Amsterdam ny bisikileta

Fitaovam-pitanterana malaza sy be mpampiasa indrindra ao amin’ny tanàn’i Amsterdam bisikileta. Ny 38% amin’ny fivezivezena ao an-toerana dia amin’ny bisikileta avokoa.Olona mpitaingina bisikileta maherin’ny iray tapitrisa isan’andro no mifamezivezy amin’izany fitaovam-pitanterana izany.

Manoloana izany dia namolavola fotodrafitrasa maro nanamora ny fifamoivoizan’io fitaovam-pitanterana io ireo tompon’andraikitra. Anisan’izany ny lalana voatokana eny amin’ny ankamaroan’ny arabe sy ny famantarana manokana ahafahan’ny bisikileta sy ny kodiaran-droa rehetra mampiasa lalan-tokana amin’ny toerana maro ao an-tanàna. Eo ihany koa ny fitobiana voatokana ho an’ny bisikileta sy ny fiantsoanana.

Nisy bisikileta 881 000 tao an-toerana raha ny antontanisa ny taona 2012. Sokajin’olona samihafa no nampiasa izany.

Laisser un commentaire