Vietnam : VinFast Klara S, kodiaran-droa tsy mataho-drano
Namorona kodiaran-droa « intelligent »mandeha amin’ny herin’aratra ny orinasa mpamokatra fiara iray ao Vietnam, mivondrona ao amin’ny Vingroup. VienFast Klara S no anaran’io kodiaran-droa io ary niarahan’izy ireo niasa tamin’ny Bosch Vietnam ny fanamboarana azy.
Dika nohatsaraina ny « scooter Klara » io Klara S io. Milina Bosch mandeha amin’ny herin’aratra 1 200 W no mampandeha azy ary misy vatoharatra roa misy « lithium » izy izay namboarin’ny Bosch sy LG.
Misy « connection 3G » ny Klara S, misy Bluetooth, eSIM sy GPS ary afaka mifandray amin’ny finday. Izy mbola velona rehefa mirobo-drano kosa no tena mampiavaka azy amin’ireo kodiaran-droa samihafa.
