Atsimo Atsinanana : Nomen’ny minisitera tosika sy fotodrafitr’asa ny mpisehatra ao amin’ny Jono
Nahazo tosika sy fotodrafitr’asa avy amin’ny Ministeran’ny Jono ireo mpisehatra ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Mitohy ny fitsidihana arahina asa, ametrahana fotodrafitrasa sy fampitaovana ary toromarika isan-karazany ataon’ny Minisitra.
« Hametrahana chambre froide ny ao Betoafo, kaominina Vangaindrano, faritra Atsimo Atsinanana. Izany dia mba ahafahana mampiroborobo ny rohim-pihariana mifandriakia amin’ny jono » hoy ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert. « Hisy ihany koa ny fametrahana ivon-toerana fanodinana ny vokatra anaty rano (unité de transformation). Notsidihana koa ny Centre National de Recherche Océanographique CNRO ao Vangaindrano » hoy hatrany izy.
Mitsidika faritra mihitsy ny ministeran’ny Jono amin’izao mba hijerena ny olana eny ifotony sy izay azo hampandrosoina rehetra.
Nicole Rafalimananjara
