CultureTsidika

Kolontsaina: Tsy zavatra ratsy akory ny ody

Matahotra mafy ny resaka ody ny ankamaroan’ny Malagasy. Ny teny hoe « ody » dia midika hoe « famerenana ny zavatra iray amin ny laoniny, fananterana ny zavatra iray amin’ny toerany teo aloha ». Midika izany fa raha marary ny olona iray dia mila ody mba hamerenana ny fahasalamany teo aloha.

« Tsy zavatra ratsy tahaka ny hiheberan’ny olona azy akory ny ody gasy fa tena fahasitranana no natao. Raha te hanao lafika ny olona iray mba hamotehana ny hafa dia tsy ody no filaza azy fa vorika toy izany koa ny tsatoka sy ny rahodia, vola mafana, beokorotana » hoy i Dada Rabe, mpandalina ny fomban-drazana. « Tsy mpanao ody ny fiantsoana ireo mpisikidy fa mpisikidy mifira na mpisikidy mpamosavy raha toa ka halain’olona hisompatra na hamorika. Ny Mpisikidy mpanao ody kosa dia antsoina hoe mpisikidy mpanao hatsarana » hoy hatrany izy.

Ny olona mpanao ody noho izany dia ny olona mampiverina ny fiainantsika amin’ny ara-dalàna sy araka ny tokony ho izy. Ireo olona mpisopatra ireo dia tsy manao ody na maka ody fa « maka vorika » filaza azy. Ny ody no fanalana ny vorika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire