Japon : Orinasa iray namolavola rindram-baiko mamafa hoazy ny sary miboridana
Miakatra ny trangana olon-dehibe miserasera amin’ny ankizy amin’ny tambajotran-tserasera ao Japon. Tsy vitan’ny miserasera nefa izy ireo fa mangataka sary miboridana amin’ireo ankizy.
Manoloana izany dia niara niasa ny tobin’ny polisy ao Nakamura ao Nagoya sy ny mpamolavola rindram-baiko (application) Smartbooks Inc. ao Tokyo, Université de santé Fujita ao amin’ny prefektoiran’Aichi. Namolavola rindram-baiko ho an’ny finday avolenta (smartphone) izy ireo afaka mamafa « automatique » ny sary miboridana ao amin’ny findain’ankizy.
Ankoatran’io famafana sary herin’ny rindrambaiko ho fanararaotana ara-nofo io dia mandefa hafatra fampitandremana amin’ny mpiantoka ilay ankizy ihany koa io rindram-baiko io. Vinavinaina hanomboka hiasa ny faranity taona 2022 ity izany.
Hasina Rasamimanana
