ActualitésTatitra

Etats-Unis : Ny Fortnite no « jeu video » be mpilalao indrindra

« Jeu video » an-jotra novokarain’ny Epic Games ny Fortnite. Misy endri-dalao samihafa izy io saingy mivondrona ao anaty « gameplay » sy « moteur de jeu » iray. Misy karazany 2 izany endri-dalao izany, ny « Fortnite : Sauver le monde », ilalaovan’olona efatra faraahabetsany izany mikendry ny hahafaty ireo « zombies » sy hiaro fitaovana samihafa. Eo ihany koa ny Fortnite Battle Royale, izay afaka lalaovin’olona an-jatony, mifamono amina toerana miatery ireo olona ireo ary tafavoaka velona farany no tanjona.

Voarara ho an’ny zaza latsaky ny 12 taonas ao Europe sy ny latsaky ny 13 ao Amérique avaratra ireo karazana lalao roa ireo. Tamin’ny taona 2027 no nivoaka ny lalao voalohany izay fahombiazana tanteraka. Raha tsiahivina kosa dia ny Fortnite no « jeu vidéo » be mpilalao indrindra tamin’ny taona 2021 teo. Nahatratra hatramin’ny 12,8 tapitrisa ny mpilalao azy ary anisany nanampy tamin’ny firoborobony ny fisian’ny valan’aretina.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire