Ankadikely Ilafy : Nanamaivana ny fahasahiranan’ny mponina ny Tsena Mora
Nitondra teny fisaorana avy amin’ny mponina ny kaominina Ankadikely Ilafy noho ny nanomezan’ny fanjakana ny Tsena Mora tao amin’ny kaominina. Nanamaivana ny fahasahiranan’ny mponina tokoa ny fisian’izany.
« Saika nisitraka ity tetik’asa Tsena Mora ity daholo ny okontany rehetra teto amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Tena nampihena ny fahasahiranana tokoa ny fisian’izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Isaorana ny fitondram-panjakana nitsinjo hatrany ny vahaoka eto Ankadikely Ilafy. Isaorana ihany koa ny ben’ny tanàna izay mikatsaka mandrakariva izay hahasoa ny mponina » hoy i Lanto, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Tao anatin’ny mangaraharaha sy ny filaminana tokoa no nanatanterahana ny Tsena Mora nanerana ny fokontany tao Ankadikely Ilafy.
Nicole Rafalimananjara
