SocialTatitra

Chine : Rendrika ny sambo manan-tantara « Jumbo Floating Restaurant »

Toeram-pisakafoana ambony rano manana ny lazany ny « Jumbo Floating Restaurant ». Rehefa nijanona nandritra ny 50 taona mahery tao amin’ny seranatsambon’i HongKong izy dia nanapa-kevitra ny nifindra toerana mora ofa kokoa.

Rehefa nikisaka andro vitsivitsy nefa io sambo toeram-pisakafoana goavana io rendrika, raha ny fanambarana nataon’ny orinasa tompon’izany Aberdeen Restaurant Enterprises. Tsy lavitry ny nosy Paracels, tany amin’ny ranomasin’i Chine méridionales no niseho ny tranga hoy izy ireo. Nanazava ireto farany fa noho ny toetry ny andro no naharendrika izany, nanomboka niakatra hatrany amin’ny 1 000 metatra ny ranomasina ka tafiditry ny rano ny sambo.

Noho ny valan’aretina dia nihiboka toy ny tamin’ny firenena maro i Chine. Manoloana izany dia niato ny asan’ny « Jumbo Floating Restaurant » nefa izy ireo nandoha ny ofan-toerana ihany ka mibaby trosa 13 tapitrisa dollars ankehitriny. Antony nifindran’izy ireo toerana ihany koa izany

Laisser un commentaire