Fiteny : Inona no niavian’ny fiteny hoe « nofy ririnina » ?
Fitenintsika malagasy ny hoe « nofy ririnina » izay entina hilazana nofy hafahafa tsy fahita, ary tsy ho tanteraka mihitsy. Ao anatin’ny vanimpotoanan’ny ririnina tokoa mantsy isika izao. Rehefa ririnina dia mangatsiaka ny vatana.
Tsy mahazo aina amin’ny vatana mangatsiaka ny fanahy ka mivoaka ny vatana lasa mivezivezy etsy sy eroa. Porofon’izany, rehefa maty ny olona iray ka mangatsiaka ny nofony dia miala tao ny fanahiny ary tsy afaka miverina ao anatin’ny nofony intsony. Toy izany koa, raha ny finoan’ny Ntaolo Malagasy, no antony nahatonga ny famadihana indrindra amin’ny vanimpotoan’ny ririnina dia satria nisehoan’ny fanahin’ny havany efa maty ny velona. Mangatsiaka ilay vatan’ny maty ao ampasana ka mila fonosindamba satria tsy mety amin’ilay fanahin’ilay maty ilay hatsiaka.
« Raha ao anaty torimaso lalina no mangatsiaka ny vatan’ny olombelona noho ny hatsiaka mafy entin’ny ririnina dia mivoaka an’ilay vatana ny fanahiny. Lasa mivezivezy eny amin’ny rivotra izay tontolon’ny fanahy. Ny mason’ny fanahy no hahitany ireny nofy ririnina ireny izay tena misy amin’ny tontolo ara-panahy saingy tsy hohitan’ny tontolo ara-nofo velively » hoy i Ravelosoa, mpandalina ny fomba Malagasy. « Tena misy ny tontolon’ny fanahy, ary ilaina ny mikolokolo ny fanahy ao anatinao fa ny fanahy no olona » hoy ny fahendrena malagasy.
Tena nino ny fisian’ny fanahy tokoa ny Malagasy. Ny finoana no niforona ho kolontsaina, hany ka mbola maro ireo manaraka ny fomba Malagasy.
Nicole Rafalimananjara
