Fitsirihana ataon’ny Polisim-pirenena eny andalambe
Betsaka ny tsy fanarahan-dalana hita eny amin’ny fifamoivoizana eny. Na eo aza ny fanaovana fanentanana ataon’ny tompon’andraikitra maro samihafa, hita ho goragora ihany ny ankamaroan’ny olona. Tsy vitsy ihany koa anefa no efa tratran’ny sazy fa mbola mamerina ny fahadisoana nataony ihany rehefa afaka izany. Etsy andanininy, tsy matahotra sazy ny ankabeazan’ny olona. Etsy ankilany kosa, toa zary lasa kilalao ny lalàna izay tokony manafay. Araka ny fitsirihana nataon’ny polisy eny an-dalambe, tratra tsy nanara-dalàna ny fiara mpitatitra olona miisa 44. Misy amin’ireo no tsy nanao aro-vava sy tsy nanaja akory ny fepetra ara-pahasalamana. Voasazy nanao ny asa iombonana moa izy ireo taorian’izany. Misy amin’ireo mpitatitra ihany koa no hita fa tsy ara-dalana ny antontan-taratasy entiny manao ny asany. Tsy ny fiaran-dalambe ihany anefa no ahitana ny tsy fanarahan-dalana fa eo ihany koa ny kodiaran-droa na ny “moto“; ao ny tsy manao aro-loha, misy amin’izy ireo ihany koa ny tsy manaja ny lalan’ny fifamoivoizana. Fatahorana ny mpitandro filaminana ve no antony anarahana ny lalàna sa fiarovana ny aina ?
Fanilo Rarivoarilala
