SocialTsidika

Ankadinandriana : Nahazo seza afaka mivalona ny Kaominina

Nisy ny ezaka lehibe nataon’ny kaominina Ankadinandriana ho fampitaovana ny efitrano fisoratam-panambadiana. Nahazo seza afaka mivalona miisa 70 ho an’ny mpanatrika soratra sy seza 6 hafa ho an’ny mpisoratra sy ny vavolombelona ary ny mpampisoratra izy ireo.

« Ny herim-pon’ny kaominina no nahazoana ireto seza ireto. Ny fahavitrihan’ny vahoaka amin’ny asa fampandrosoana ny tanàna no tena nahazoana izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina. « Tsy ho an’ny tompon’andraikitra ny kaominina, fa ho antsika vahoaka ihany ny hetra aloantsika. Tsara raha mavitrika hatrany mba hitohizan’ny fampandrosoana » hoy i Toavina, mponina ao Ankadinandriana.

Ilaina ihany koa anefa ny fangaraharahan’ny fitantanana ny hetra mba hampazoto hatrany ireo vahoaka amin’ny fanefana izany.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire