Atahorana hisy fihotsahana vato indray eny Ambanin’Ampamarinana
Voina maro no atahorana hiseho isaky ny vanim-potoanan’ny orana toy izao, na eny amin’ny faritra iva na avo. Raisina manokana ireo trano sy mponina eny Ambanin’Ampamarinana sy ny manodidina iny izay ahiana ho tra-doza amin’ny mety hihotsahan’ny vato indray amin’izao vanim-potoana izao. Manoloana izany dia misy ny fepetra raisin’ny fanjakana hisorohana izany. Nametrahana saina mena ny teny an-toerana mba hanairana ireo mponina sy hampafatarina azy fa mety hisy loza hitranga. Mbola maro ihany koa ireo trano nahorina tsy nahazo alalana tamin’ny fanjakana ka mba hanenana izany ihany koa no tanjona. Amin’ny maha faritra avo ny eny dia tokony ho ferana ireo trano miorina. Hamafisina hatrany ny antso atao amin’ireo mponina mba hitandrina sy hiala eny an-toerana. Hiala eny anefa izy ireo dia ho aiza ? Tokony efa misy toerana handraisana azy ireo.
Fanilo Rafalimananjara
