Dépêches

Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany sy loharanon-karena stratejika: Volamena sy vato sarobidy 36 kilao nanjavona

24 Jona, 08h00. Nanjavona tao anatin’ny vata fitehirizana mihidin’ny minisitera ny volamena sy vato sarobidy 36 kilao nogiazana. Nampidirina am-ponja vonjy maika manoloana izany ireo Tale jeneraly sy Tale tsotra nifandimby tao amin’ny minisitera miisa 10 . Nandritra ny fifamindram-pahefana teo amin’ny tale jeneraly teo aloha sy ny tale jeneraly vaovao no nahitan’ny vaditany fa tsy tao intsony ireo volamena sy vato sarobidy ireo rehefa nosokafana ny vata fitehirizana. Efa misokatra ny fanadihadiana sy famotorana momba ny raharaha.

Laisser un commentaire