Ankadinandriana : Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny « Tournoi Foot à 7 »
Misokatra ny fandraisana ny anaran’ireo maniry te handray anjara amin’ny « Tournoi Foot à 7 » ao amin’ny kaominina Ankadinandriana Avaradrano. Isaky ny asabotsy manomboka ny 9 jolay izao, eny amin’ny Kianja Ankadinandriana, no hanatanterahana izany.
« Manomboka izao, ary mifarana ny 2 jolay, ny fandraisana ny anaran’ireo mpandray anjara amin’ity hetsika ity. Hisy ny saram-pisoratana anarana ho aloa amin’izany. Samia miomana sy mampiomana tena ny mpandray anjara tsirairay » hoy ny mpikarakara. « Sady fanatanjahantena no fialamboly ho anay ny taranja baolina kitra. Isaorana ny kaominina manohana hatrany ny tanora ao amin’izany » hoy i Rado, mponina ao Ankadinandriana.
Miroborobo hatrany ny hetsika ara-panatanjahantena eto Avaradrano, indrindra ny baolina kitra. Tsara raha misehatra ao anatin’izany hatrany ny tanora mba ahafahana mandroso foana.
Nicole Rafalimananjara
