Asa tanana : Efa miranty ao Paris ny vita Malagasy
Asa tanana malagasy isan-karazany no niranty tany Paris, Frantsa, nandritra ny »Salon de l’Artisanat Malagasy ». Fanaka, fitafy, haingon-trano, firavaka sy ny sisa izay vita malagasy no miranty mandritra izany. « Tanjona ny hampahafantatra sy hanomezana sehatra ny asa tanana malagasy aty ivelany. Izany dia mba ahafahantsika mivelatra hatrany ao anatin’ny asa tanana » hoy avy ao amin’ny minisiteran’ny Asa-tanana sy ny Haitao. » Ezahintsika ny hanao « salon » na fampirantiana ireo asa tanana malagasy any amin’ny Masoivohantsika maneran-tany. Tsy voatery hitondra mpanao asa-tanana isika fa azo atao koa ny mitondra ny vokatr’izy ireo » hoy ny minisitry ny Asa-tanana sy Haitao, Ratsiraka Sophie.
Isan’ny sehatra iray mahomby entina hampandrosoana ny firenena tokoa ny sehatry ny asa tanana. Sady mampiakatra ny tahan’ny toe-karena izy no manome laza tsara ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
