Social

Mianja Nathalia : Namorona savony miaro amin’ny kentrona

Manomboka amin’ny savony ampiasaina izany, handroina, hanasana tarehy, hanasana loha dia tokony natoraly. Mamaly io filàna io ny “savon mixte Nathalia” sy ny “shampooing solide” izay natoraly sy vita malagasy 100%, vokarin’ny « Cosmos Liner Madagascar ». Rakotozafy Andriantseheno Mianja Nathalia no anarany. Nianatra momban’ny “français des affaires” tao amin’ny “Alliance Française” izy. Ny fitiavako mikarakara volo be mihitsy no nanosika azy hamorona ny savony sy “shampooing” ho an’ny volo. Izaho sy ny volo dia iray ihany (hehy). Tia manao “soin”, milalao volo izy. Ohatran’ny tena “passion” mihitsy ilay izy, ary efa hatramin’ny mbola kely.

Taty aoriana dia nisy ny “opportunité” niresahana tamin’ny “Maître Savonnier” an’i “Cosmos Liner” izay. Teo no tapaka ny heviny fa hamokatra sy hanao ny “produit” manokana, izay ho vokarin’ny orinasa “Cosmos Liner Madagascar”. Natao “shampooing solide” sy savony afaka hanatsarana ny tarehy sy ny vatana ilay izy, fa isan’ny tena mampiavaka azy ny maha-natoraly azy. Izay no nahatonga ilay anaran’ilay “produits” hoe « Nathalia ». Nanaraka fiofanana manokana momba’ilay savony sy « shampooing solide » izy talohan’ny namoahany azy. Niresaka sy nifanakalo hevitra tamin’ny « maître savonnier Cosmos Liner ».

Ho an’ireo maniry ny hanana ny vokatrany manokana dia ity no hafatra omeny : Andriamanitra no tena hianteherana voalohany indrindra satria izy no mandahatra ny fiainanao. Dia mahatokisa  tena ihany koa, hoe vitako ity izay vao afaka mahatoky anao ny mpiara-miasa hoe vitany io, na betsaka aza ny sakana. Etoana dia isaorako ny fianakaviako amin’ny fanohanana izay ataony ahy

Fenohasina Ratsimamitaka

Laisser un commentaire