ActualitésTsidika

Betafo Ambohimangakely : Nahavelom-bolo ny famaranana ny andiany voalohany tamin’ny Y’voatra

Notanterahina tao amin’ny tranompokonolona Betafo Ambohimangakely ny lanonam-pamaranana ny andiany voalohany amin’ny tetikasa Y’voatra. Ekipa 11 no nahatanteraka ny fifaninanana hatramin’ny farany, ary ny tarika efatra no voafantina ho « zaridaina sy ekipa mendrika ».

« Tafiditra ao anatin’ny fanombanana, ny asan-tarika sy ny vokatra fa indrindra ny vinan’izy ireo amin’ny ho tohin’ny fiaraha-miasa iao natao izao. Izany ihany koa no nanosika ny Y’Dago hanolotra fiofanana voly maharitra ho an’ireo ekipa nibata ny amboara mba hahafahan’izy ireo mihary amin’ny sehatry ny fambolena » hoy ny vay ao amin’ny fikambanana Y’Dago. « Vonona hatrany izahay hanohy ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana Y’Dago. Tena manampy betsaka amin’ny fihariana sy ny fambolena ataonay mantsy ilay izy » hoy ireo mpisitraka ny tolotra.

Tsy hijanona ho fifaninanana fotsiny izany fa eo ny fihitaran’ireo tantsaha amin’ny fihariana maitso, ary ny hananganana ny vondrona Y’voatra.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire