ActualitésTsidika

Betsizaraina : Notokanana ny tsangambato teto Avaradrano zokin’Imerina

Vitsa soa aman-tsara ny fanokanana ny tsangambato vaovao izay mariky ny taloha sy ny ankehitriny ary ny hoavy tao amin’ny Vohitr’Andriana Betsizaraina. Vato nisy sarin’ i Madagasikara nilentika tany ambanin’ ny tany, am-polo taona maro izay hita teto, ary nampiakarina sy napetraka amin’ ny toerana Avo indrindra amin’ilay Tsangambato. Izany dia ho fanambarana an’ i Madagasikara ho tonga firenena Avo indrindra eran-tany.

« Tonga nanome voninahitra ity fanokanana tsangambato ity ny kaominina. Vohitra manana ny hasiny tokoa raha i Betsizaraina satria nitoeran’ny mpanjaka tamin’izany. Mbola velona sy mamelo-maso izany ny taranany ankehitriny » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. « Tany Masina i Madagasikara. Ary ny Hasina dia hery avy amin’ Ilay Mpahary, izay apetrany amin’ny zava-boahary, tany, vohitra, toerana, olona, izay natokany manokana amin’ ny fanaovana ny sitrapony. Ny tany manana ny hasiny, ary ny vohitra manana ny fadiny. Misy ny tany masina, ny vohitra masina, ny toerana masina, ny zavaboahary masina, ny olo-masina. Ny fanajana ny hasina no miteraka ny fady. Ary izay tsy manaja ny hasina no atao hoe manota fady » hoy i Rabarioelina izay sady avy amin’ny lahimatoan’Imerina no lehiben’ ny fianakaviamben’ ny mpanjaka eto Madagasikara.

Mbola misy tokoa ireo manaja ny fomba amam-panao Malagasy amin’izao, eny fa na dia malalaka aza ny fivavahana eto amintsika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire