26 Jona : Mariky ny fitiavan-tanindrazana ny fananganana ny sainam-pirenena
Efa manakaiky tokoa ny fankalazana ny fetim-pirenena ho antsika Malagasy. Vao miandoha ny volana Jona dia efa tokony hanangana sainam-pirenena ny isan-tokantrano.
« Mariky ny fanajana sy ny fitiavan-tanindrazana ny fananganana ny sainam-pirenena. Tokony hanao izany ny isan-tokantrano mba ho marika fa ti any tanindrazana isika. Na dia mbola mitohy aza ny ady amin’ny tena fahaleovantena marina amin’ny lafiny rehetra dia isan’ny mampiombona antsika ho amin’izany ny sainam-pirenena » hoy i Edmond, mpampianatra. « Tsy tokony hidiran’ny loko politika satria i Madagasikara dia tanindrazana iombonana ny fananganana ny sainam-pirenena. Koa manentana antsika Malagasy rehetra, indrindra ny vahoakan’Ankadikely Ilafy amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao hanangana ny sainam-pirenena Malagasy » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija.
Ny sainam-pirenena tokoa no mampiombona antsika Malagasy rehetra. Rariny loatra raha tohizana hatrany ny firaisan-kina izay efa nataon’ireo razambe ho fanandratana ambony ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
