Nigéria : Famotsorana sinoa telo nalaina an-keriny tamina toeram-pitrandrahana.
Nilaza ny polisy Nigérien, ny talata 09 febroary fa navotsotr’izy ireo ny mpiasa sinoa telo nalaina an-keriny tamin’ny herinandro lasa teo. Tamina toeram-pitrandrahana iray ao amin’ny fanjakan’ny Osun, any atsimo andrefan’I Nigéria no nisehoan’ny fakana an-keriny. Fifamaliana nisy teo amin’ireto sinoa ireto sy ireo mpitrandraka avy ao an-toerana no niantombohan’ny olana. Novonoin’ireo mpaka an-keriny ny polisy mpanaraka ireo sinoa mpitrandraka. Taorian’izay no nitondrana an-keriny ireo sinoa. Tsy voamarina ny fandoavam-bola na tsia talohan’ny famotsorana ireo sinoa mpitrandraka ireo hoy ny AFP. Tsy dia fahita firy ao Nigéria ihany koa ny fakana an-keriny mitakalo vola. Mbola mikaroka ireo tompon’andraikitra ny polisy Nigérien amin’izao fotoana. Tsy vaovao ny tranga fakana an-keriny ao Nigéria. Raha tsiahivina, ny volana jolay 2020, mpiasa sinoa efatra no nisy naka an-keriny tao Cros River, atsimo atsinanana. Novonoina ihany koa ireo mpiambina azy ireo. Iray volana taorian’izay no tafavoaka soa man-tsara ireo sinoa ireo.
