e-Poketra
Betsaka ny fandaniam-panjakana lasa nomerika, anisan’ny izany ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra sy ny karama ny mpiasam-panjakana ary ny fisotroan-dronono. Iray amin’ireo fomba hafa ataon’ny fanjakana hampihena ny fisian’ny kolikoly ny famoronana ny e-Poketra. Eny tokoa, amin’ny ambaratonga azo ampiharina azy dia afaka manolotra tombontsoa maro ny e-Poketra. Raha ho an’ny fanjakana izany na ho an’ny olona madinika. Misy kokoa ny fanarahana maso ny lalam-bolam-panjakana. Ary raha ho an’ny olona tsotra dia ahazoana fiarovana misimisy kokoa noho ny tsy fitazomana vola mivantana. Maro ny olona no mahita olana amin’izy io noho izy tsy mahazatra, kanefa, raha tsy manao zavatra tsy mahazatra ianao tsy hanova inon’inona mihitsy.
