Jirama : Ho atomboka tsy ho ela ny tetikasa « Optima Business »
Nanatanteraka fikaonan-doha ny orinasa Jirama sy ny lehiben’ny fivondronana Orinasa sy mpandraharaha eto Madagasikara teo ambany fiahianan’ny minisitry ny Angovo sy Akoran’afo. Nentina nifampidinihana ny fiomanana amin’ny fidirana amin’ny « Optima Business » ny volana jolay izao izany. Tetikasa entina hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ho an’ny mpandraharaha ny orinasa lehibe sy salantsalany ary madinika, izay hifanaraka amin’ny vidin-jiro ny « Optima Business ».
