Ankadikely Ilafy : Nanatanteraka asa tagnamaro ny mpiasan’ny kaominina
Nisy ny asa tagnamaro nataon’ny mpiasan’ny kaominina Ankadikely Ilafy tamin’ny alalan’ny asa fanadiovana. Niara-nientana sy naneho firaisankina izy ireo nandritra ny asa.
« Ho fanomanana sahady ny toerana handraisana antsika manan-draharaha eto amin’ny kaominina no nanaovana izao asa tagnamaro izao. Hirariana hitohy hatrany izany fiaraha-mientana ho any amin’ny fandrosoana izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Mankasitraka sy misaotra ireo rehetra nandray anjara tamin’ity asa tagnamaro ity. Sady fanajana ny samy mpiasa no fanajana ireo tonga manantona ny biraon’ny kaominina no fahadiovana » hoy ny mpiasa iray ao amin’ny kaominina.
Mitohy hatrany ihany koa ny asa fanadiovana amin’ny toerana maro ataon’ny kaominina. Ny fiaraha-mientana ho amin’ny tsara hatrany toy izao no tena ilaina amintsika olom-pirenena. Ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay ihany koa no tena andrasana amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
