Talata Volonondry : Hitarina ny sekoly hanatsarana ny lafiny fampianarana
Misy ny hetsika fanitarana ny lycée ao talata Volonondry hanampiana ireo efitrano fianarana efa nisy. Efitrano 4 mirefy 4×4 avy no atao, ary efa vita ny ady fototra.
« Mijery ny hoavin’ny mpianatra tokoa izao atao izao. Misaotra antsika rehetra mifanome tanana ametrahana vina hampandrosoana ny tanàna » hoy ny ben’ny tanàna ao Talata Volonondry, Randrianirina Hobiherisaona. « Tena isan’ny olana eto amin’ny lycée mihitsy ny tsy fahampian’ny fotodrafitr’asa. Betsaka ny mpianatra anefa tsy mifanaraka an’izay ireo trano fianarana eto » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ity sekoly ity.
Nifanome tanana tamin’ity tetik’asa ity ihany koa ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ireo mpandraharaha samihafa. Hiara-misalahy tokoa ny fanabeazana ny zanaka Malagasy. Ny entan-jaraina rahateo mora zaka.
Nicole Rafalimananjara
