ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nisy ny tolo-tanana ho an’ireo tsy an’asa

Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy sy ireo orinasa ao an-toerana mba ho fitsinjovana ireo tanora tsy an’asa.  Ny Confec Tex no hanome fampiofanana maimaimpoana azy ireo mandritra izany.

« Tanora lahy sy vavy 20 ka hatramin’ny 35 taona no hisitraka ity fampiofanana ity. Manodidina ny 100 no horaisina hihofana amin’izao andiany voalohany izao » hoy ny avy ao amin’ny Confec Tex. « Ny Orinasa « Actuel Textile » indray no handray ireo mendrika ao aorian’ny fiofanana. Ny Kaominina kosa no manao ny fanamorana rehetra sy ny tolo-tanana » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

Zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny tanora tokoa ny tolo-tanana tahaka izao. Tsy irery ny tanora na tsy an’asa aza fa misy manampy sy manohana hatrany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire