Antsandringa : Antsa fanao amin’ny tolona
Antsa ataon’ny vehivavy ao amin’ny foko Antandroy sy ny foko Mahafaly ny « Antsandringa ». Entina mandrisika sy mandrombo an’ireo lehilahy mpanao « andrarangy » na « ringa » na « tolona » izany.
Fifaninanana ataon’ny lehilahy matanjaka sady fialam-bolin’ny mponina ny « ringa » na « tolona ». Mandafy tomboka ireo vehivavy amin’izany, izany hoe mipetraka amin’ny tany ka alapatra eo aloha ny tongotra. Misy ihany koa ny bekon-dringa, izay hitanisana ny momba ilay mpanao ringa tohanana sy handokafana azy.
Misikina lamba landy ny vehivavy, ary atao dokodoko ny volo. Ny lehilahy kosa manao kilaoty fohy misadia (misalaka) ary tsy mitafy ny ambony. Langorobe na apongabe, faota na aponga kely ary lokanga no zavamaneno ampiasaina amin’ny Antsandringa.
Herimalala Ratsimbazafy
