Warren Buffet : Ny fomba handresena ny fiakaran’ny vidim-piainana
Raha tsy mitsaha-miakatra ny vidin’entana eny an-tsena, Warren Buffet kosa dia manome toro-hevitra mba ahafahana manana ny vokatra azo avy amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana. Tsy ny eto Madagasikara irery no misy an’izany fiakarana izany fa maneran-tany. Fantantsika angamba ny raharaha manoloana ny Ukraine sy ny Rosia, maro ireo vokatra ara-ekonomika hoentin’izany. Manambara mazava moa ity mpanefoefo eran-tany ity ny hoe: “ Ny tena mety afaka ataonao dia ny manana traikefa avo dia avo amin’ny zavatra iray.” Mampahery ny olona izy amin’ny hoe : “N’inona n’inona fahaizana anananao dia tsy misy afaka manala izany aminao. Ny tena fampiasana vola mety indrindra dia ny fampivoarana anao monakana, tsy hangalana hetra aminao io.” Raha ny olona mitady fitadiavam-bola sy mikaroka izay ahafahana mampitombo vola amin’izao fotoana fiakaran’ny vidin’entana izao. Nataony ohatra tamin’izany moa ny orinasa “coca-cola”, nilaza izy fa na am-polo taona ny maro ary dia hisy haniry foana ny soda, ary tsy mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitr’izy ireo ny vidim-piainana.”
