ActualitésTsidika

Ny fahantrana

Isaky ny telo segondra dia misy zaza iray matin’ny fahantrana. Misy zaza maty noho ny hanoanana, mitomany noho ny fahalasan’ny olona akaiky azy.

Eto Madagasikara dia hodiantsi-hita ny mahantra, hikipiana raha hitantsika eny an-dalana eny. Marina tokoa fa ny fahantrana dia mamono ny fanahin’ny olona iray. Mamono ny consiansa ary mandrava ny soatoavina tsara. Raha miaina ny andavanandro-piainany izy dia tsy afaka manofy fiovana sy fivoarana fa ny anio aloha no atrehina. Ny hanina anio tadiavina anio ary raha ny amin’ny ampitso, aleo aloha rahampitso mitazana ny any.

Maro ny olona milaza hoe « tia tena ny mahantra », « kamo miasa ». Raha ny hita amin’ny fiaraha-monina dia izay no mibahana. Aleony misotro toaka sy milalao karatra. Kanefa, raha ny fanabeazana azony ve manosika azy hanao mihoatra izany ? Raha ny ray aman-dreniny nanao toa izany ary tsy nahita modely hafa ankoatran’izany izy? Raha vao miposaka ny masoandro dia ny fitadiavana izay mba hasambarana kely na dia iray minitra monja aza no masaka an-dohany.

Laisser un commentaire