Imerintsiatosika : Zazavavy mpianatra 14 isa no nifandimby torana
Zazavavy mpianatra 14 no nifandimby torana tao amin’ny lycée Imerintsiatosika. Mpianatra iray efa manana aretina toratorana matetika no nanomboka azy, ary niparitaka tamin’ny ankizy hafa.
« Nifandrombahan’ny ankizy nokosehana aloha ilay ankizy torana, izay efa torana matetika. Nisy ankizy hafa nahita izany ka torana koa. Tao ny taitra ary vao maika torana ihany koa. Nitohy ny hariva izany raha avy nanao EPS. Ary taitra tamin’iny indray dia torana ny sasany » hoy ny mpampianatra iray. « Nantsoina avy hatrany ny mpitsabo nijery sy nanao ny fizahana saingy tsy misy aretina ireo ankizy. Tsy maintsy nantsoina mpivavaka sao asan-devoly izao » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ity sekoly ity.
Voatery natsahatra aloha ny fampianarana tao amin’ity lycée iray ity. Inona marina no nahazo ireto zazavavy ireto ? Ambalavelona ve sa fahataraina fotsiny ihany san oho ny toetr’andro ?
Nicole Rafalimananjara
