CUA : Fanesorana ireo mpivarotra mandehandeha.
Zava-dehibe ny fahadiovan’ny tanàna indrindra fa ny eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara manokana. Efa maro ireo lamina napetraka mba hisian’ny firindrana amin’ny kaominin’ny renivohitr’Antananarivo.
Raràna ny fivarotana amin’ny kalesa na varamba eto an-drenivohitra. Anisan’ny mibahana ny arabe ny mpivarotra mitondra kalesa. Nisy ny fanentanana nataon’ny teo anivon’ny fiadidina ny tsena ny herinandro lasa teo. Manentana ireo mpivarotra mandehandeha mba hiala amin’ny toerana misy azy ireo. Antony hanesorana azy ireo ny fitohanana eo amin’ny fifamoivoizana. Ankoatr’ izany, ny fahateren’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra. Etsy akilany, tsy manana fivelomana intsony ireo mpivarotra raha toa ka miala amin’ny mahazatra azy isan’andro izy ireo. Vahaolana ny fanolorana toerana maharitra ho azy ireo mba hialana amin’ny fahaverezan’ny asa.
Fanilo Rarivoarilala
