Dépêches

Rivo-doza Jasmine : Filazana manokana 27 aprily tamin’ny 6 ora maraina

27 Aprily, 09h30. Mbola ao amin’ny Distrikan’i Betroka no misy ny foiben’i Jasmine. Nihena hatrany ny heriny. 40 km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 50 km/ora. Nikisaka niatsinanana izy ka nahafaka 25 km/ora. Hivoaka an-dranomasina any amin’ny faritra atsimo-atsinanana amin’ity tapany maraina ity ny sisan-drahona miaraka aminy.

Miova noho izany ny filazana mikasika azy, foana avokoa ny filazana loza voarain’ny Distrikan’i Toliara I-II, Sakaraha, Betioky, Benenitra ary Ampanihy.

Manomboka maka toerana ny tsioka atsimo, mbola hahery noho izany ny ranomasina amin’ny morontsiraka atsimo-andrefana sy atsimo.

Laisser un commentaire