Fivarotana zava-mahadomelina : Olona maro no voasambotra
26 Aprily, 13h00. Na lahy na vavy na antitra na tanora dia roboka fivarotana sy fidohohana zava-mahadomrlina mahery vaika eto Antananarivo (cocaïne, héroïne, amphetamine, Skunk ,..). Manoloana ziany dia nanamafy ny ady atao amin’ny zava-mahadomelina ny Polisy ho fiarovana ny olom-pirenena tsy ho potika amin’ny fandraisana izany. Mahatratra olona mandray na mivarotra azy foana ny ireo tompon’andraikitra ireo isan’andro. Raha tamin’ny herinandro lasa fotsiny dia nahatratra 11 ireo olona voasambotra.
