Dépêches

RN 44 : Olona roa no maty nofaohan’ny fiara sprinter

21 Aprily, 09h00. Lehilahy iray 38 taona sy ny zaodahiny 41 taona samy nandeha an-tongotra no nofaohan’ny fiara sprinter teny amin’ny làlam-pirenena faha 44, Ambohiboromanga, Ambatondrazaka, omaly alarobia 20 aprily 2022, tamin’ny 05 ora sy sasany maraina. Nifanena tamin’ny fiara vaventy io fiara sprinter io raha ny fantatra ka nifatratra tany amin’ireo olona ireo. Voalaza kosa fa avy nangalatra kojakojana trakitera ireo olona niaran’ny lozam-pifamoivoizana ireo, teo am-pitsoahana izy ireo no tra-doza.

Laisser un commentaire