ActualitésTsidika

Ilafy : Tao anaty kermesy no nankalazana ny fety 

Saika nahitana hetsika avokoa nanerana ny kaominina eto Avaradrano. Kermesy no nankalazana ny fety tao Ilafy.

« Fotoana nampifaliana ny ankizy ity fotoana ity. Ny ray aman-dreny faly foana rehefa faly ny zanany. Na izany aza tsy diso anjara izahay ray aman-dreny tamin’izany » hoy i Domoina, renim-pianakaviana monina ao Ilafy. « Betsaka ny fialam-boly hita tato Ilafy. Nahafinaritra ny fety niaraka tamin’ireo hetsika maro nampifaliana ny mponina toy ny soavaly hazo, ny trano heva filalaovana sy ny sakafo » hoy i Julia, isan’ireo mpikarakara.

Samy nanana ny fomba nankalazana ny fetin’ny Paska ny rehetra teto Avaradrano. Tao ny nisintaka kely ny tanàna, tao kosa ireo nijanona namonjy rieny hetsika isan-karazany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire