ActualitésTatitra

Etats-Unis : Efa vonona handray mpiantrano ilay trano lava mahia indrindra

Ao New-York, ao 111 West 57th Street tsy lavitry ny Central Park sy ny fihaonan-dalan’ny Sixth Avenue no misy ny Steinway Tower, trano avo manify indrindra eran-tany. Mirefy 435 metatra ny haavon’io trano io ary laharana fahatelon’ny trano avo indrindra ihany koa izy.Nisokatra amin’ny fomba ofisialy ny toerana rehefa novolavolaina nandritra ny 7 taona. « Mirehareha izahay fa nahavita zavatra miavaka » hoy i Gregg Pasquarelli, talen’ny rinasa mpanao maritrano SHoP Architects, nanatanteraka ny tetikasa. Efa miandry ireo mpiantrano voalohany izy ireo.

Laisser un commentaire