Actualités

Asa tanana : Hiara-hiasa i Maroc sy i Madagasikara

Hiara-hiasa amin’i Maroc i Madagasikara amin’ny sehatry ny asa tanana. Asongadina amin’izany ny ahafahan’ireo mpanao asa tanana Malagasy hiofana any Maroc.

« Hisy ny fahafahan’ny mpanao asa tanana Malagasy miofana mikasika ny Asa tanana aty Maroc. Afaka manome vatsim-pianarana ho ann’y mpianatra 30 hatramin’ny 70 isa izahay » hoy ny solontenam-panjakana Marokanina. « Hojerena ny ahafahan’ireo mpanao asa tanana Marokanina mizara sy mifanakalo tarikefa amin’ireo mpanao asa tanana Malagasy. Mila fampiroboroboana hatrany ny sehatry ny asa tanana izay antoka iray hampandroso antsika » hoy ny Minisitry ny asa tanana, Ratsiraka Sophie.

Efa manomboka miseho sy tsara sary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny asa tanana malagasy. Tsy vitsy ireo vahiny tia sy mankafy ary manafatra izany any ivelany. Mampisy fanantenana tokoa amin’ny hiakaran’ny toe-karena izany.

Laisser un commentaire