ActualitésTsidika

Nosy Be : Nosokafana ny sidina vaovao mampitohy an’ i Italie

Nisokatra ny 13 aprily 2022 ny sidina Neos izay mampitohy an’i Milan (Italie) sy i Nosy Be. Tao anaty hafaliana no nankalazana izany, izay natrehan’ireo mponina any Nosy Be.

« Hanokatra ny tahan’ny mpizahantany eto Nosy Be ity sidina vaovao ity. Mampisy fanantenana amin’ny fiakaran’ny toe-karena indrindra eto an-toerana izany sy manerana ny Nosy izany » hoy i Hery, mpahay toe-karena. « Manampy betsaka amin’ny resaka fizahantany ity sidina vaovao ity. Antenaina fa hiroborobo hatrany izany. Tafiditra ao anatin’ny tetik’asam-panjakana izao natao izao » hoy Andriamandranto Joel, Minisitry ny Fizahantany.

Marihina fa tonga mialoha tany an-toerana ireo tompon’andraikitra nijery ny pintsompintsony teny amin’ny seranam-piaramanidin’i Nosy Be. Hita fa velom-panantenana ny mponina noho ity sidina vaovao iraisam-pirenena voalohany ao Nosy Be ity.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire