Tetik’asa Haraton’aina : Nahazo ny anjarany indray ny faritra Anosy
Tanjon’ny tetik’asa Haraton’aina ny hananan’ireo tokantrano fahaleovantena ara toe-karena sy fivoaram-piainana amin’ny alalan’ireo fampiofanana sy tantsoroka anatin’ny tetik’asa. Isan’izany ny fampidirana an-tsekoly sy ny fandrindrana fiainam-pianakaviana ary ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Anisan’ny faritra efa nisitraka izany ny tao atsimo andrefana, distrikan’i Tolagnaro, ny faritra Matsiatra Ambony, distrikan’i Fianarantsoa. Nisitraka ny tetik’asa Haraton’aina tamin’ny alalan’ny fandaharan’asa Vatsin’ankohonana ihany koa ny faritra Anosy. Tokantrano miisa 1 230 tao amin’ny kaominina ambanivohitra Manantegny no nahazo izany, Tohana ara-bola ho an’ireo ankohonana marefo ara-pivelomana isaky ny 2 volana mandritry ny 3 taona no azon’izy ireo.
