ActualitésTsidika

Asam-panjakana : Mifampizara traikefa ny ao amin’ny Ministera

Nahazo fampiofanana avy amin’ny Ministeran’ny Asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalana sosialy ny mpiasa tao amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana. Nizara ireo fitsipika mifehy ny asam-panjakana sy ny fitsipim-pitondrantena tokony hananan’ny tsirairay nandritra izany.

« Zava-dehibe ho an’ny mpiasam-panjakana ny fifehezana ny fihetsika sy ny fitsipika mifehy ny asam-panjakana « Ethique et Déontologie » eo am-panatanterahana ny asany. Izany tokoa no miantoka ny fandrosoana ara-tsosialy sy ara-toe-karena eto Madagasikara » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-Panjakana ary ny Lalàna Sosialy. « Isaorana ny mpanome ny fiofanana. Ilaina foana ny manatsara ny kalitaon’ny asam-panjakana sy ny fitantanan-draharaham-panjakana mba hamaliana ny filàn’ny firenena sy ny mpanjifa ny asam-panjakana » hoy ny avy ao amin’ny Minsiteran’ny Tontolo Iainana.

Ny fifampizarana traikefa toy izao tokoa no tena ilaina amin’ny fampandrosoana. Hafa tokoa mantsy rehefa ny manan-traikefa sy ny matihanina no misahana ny raharaham-panjakana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire