Avaradrano : Tontosa ny fambolen-kazo
Tontosa ny 8 aprily 2022 lasa teo teny amin’ny « Domaine Carmel route d’Imerikiasinina » ny fambolen-kazo teto amin’ny Distrika Avaradrano. Tafiditra ao anatin’ny hetsika ho fandrakofana ala an’i Madagasikara ny hetsika izay notarihan’ny lehiben’ny distrika.
« Isaorana ireo tonga nanohina ny antso rehetra ho an’ny hetsika ho fandrakofana ala an’i Madagasikara. Dingana lehibe tokoa izany ho fanarenana ny lafin’ny tontolo iainana » hoy ny lehiben’ny Distrika Avaradrano.
« Raha samy mamboly hazo avokoa ny sampana, vondron’olona, fianakaviana, na ny tsirairay dia ho tantefaka ireo vina sy tanjona ho an’ny tontolo iainana. Zava-dehibe loatra ny fiaraha-mientana amin’ity sehatra ity » hoy i Ando, manam-pahaizana mikasika ny tontolo iainana. Tonga nanohana ny antso ho an’ity hetsika ity ihany koa ireo ben’ny tanàna ato Avaradrano.
Antenaina ho tratra tokoa ny tanjona amin’ny fanamaitsoana ny firenena.
Hasina Rasamimanana
