RNS 5 PK 146+300 : Tafapetraka ny tetezana vonjimaika
08 Aprily, 08h00. Tafapetraka omaly tolakandro ny tetezana vonjimaika amin’ny lalam-pirenena faha dimy RNS 5 mampitohy an’i Fenoarivo Atsinanana sy Soanierana Ivongo ao amin’ny PK 146+300 izay tapaka nohon’ny fihotsahan’ny lalana. Niara nisalahy tamin’ny fanatanterahana ny asa ny ekipan’ny DAU sy ny DRTP Analanjirofo. Efa niverina amin’ny laoniny noho izany ny fifamoivoizana ao an-toerana ka afaka manohy ny diany avokoa ny fiara rehetra.
