Rocade Tsarasaotra : Miaramaila iray hita faty.
Lehilahy iray no hita faty, 3 km alohan’ny hidirana an’i Tsarasaotra, ny marainan’ny talata 2 febroary lasa teo. Olona efa tsy nisy aina intsony no tazan’ny fokonolona teny an-toerana nitsirara tamin’ny tany. Tsy niala teo anilany anefa ny kodiaran-droa nentiny. Raha ny filazan’ny mponina manodidina, mety ny alin’ny alatsinainy teo no nitrangan’ny loza. Tsy fantatra mazava hatreto ny nahatonga ny fahafatesan’io lehilahy io noho ny tsy fisian’ny nanatri-maso. Raha ny fantatra, miaramila tratra alina hamonjy fodiana avy eny amin’ny toby Ivato ity maty teny Tsarasaotra ity. Ahitana lozam-pifamoivoizana matetika io lalam-baovao mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ivato io. Saika manafaingam-pandeha avokoa ny fiara rehefa mandalo eny indrindra amin’ny alina . Mbola mitohy ny fandihadihana mahakasika ity raharaha ity.
Fanilo Rarivoarilala


