Social

Ampasamadinika : Tompona trano fikoloina endrika amam-bika, very firavaka volamena.

Very tao amin’ny birao ny « bracelet » volamena milanja 20g nipetraka tao anaty vata ny 9 Janoary lasa teo. Ramatoa tompona trano fikoloina tarehy amam-bika etsy Ampasamadinika no tompony. Niantso azy ihany koa ny BMOI Antaninarenina, ny 29 Janoary fa misy ramatoa mampiasa ny taratasim-bola amin’ny anarany tonga ao amin’izy ireo. Voatazon’ny banky avy hatrany ny kara-panondron’ity olona nitondra ny taratasim-bola mitentina 1 750 000 Ar ity.  Tafatsoaka kosa ilay mpangalatra. Nametraka fitoriana avy hatrany ilay tompona trano voaroba. Fantatra nandritra ny fanadihadiana natao fa ilay mpamiliny ihany no nahavita nangalatra ilay taratasim-bola ary vadiny taloha ilay saika haka azy tany amin’ny banky, ka tratra ny sabotsy lasa teo. Voaroiroy amin’ity raharaha ity ihany koa ilay mpanadio trano tao amin’ilay trano fikoloina endrika amam-bika. Fantatra nandritra ny famotorana fa izy no naka ilay firavaka volamena tao amin’ny birao. Niakatra fampanoavana ny Alatsinainy lasa teo ireo olona tratra ireo.

Nicole Rfalimananjara

Laisser un commentaire