Dépêches

Bealanana : Vola 3 tapitrisa ariary nisy nandroba

01 Aprily, 08h00. Lehilahy roa tsy fanta-pihaviana no voatondro ho nandroba zokiolona iray izay niaraka tamin’ny zanany ‚ nikasa hividy omby tao amin’ny tsenan’omby Kamisibe Bealanana omaly 31 Mars 2022. Norebireben’izy ireo tamin’ny vato safira sandoka io zokiolona io saingy tsy roboka ka norobain’izy ireo ny sakosy feno vola teny an-tanany ary lasa izy nandositra. Ahiana ho manao fanafody mahery vaika fandraikirekena kosa ireo jiolahy ireo.

Laisser un commentaire