Soavinandrina : Mitsabo ny ankizy marary fo ny Hopitaly Miaramila
01 Aprily, 09h00. Noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny CENHOSOA sy ny fikambanana « La Chaine de l’Espoir » ary ny fanampian’ny fitondram-panjakana dia tontosa omalu ny fandraisana ara-teknika ny trano fandidina ny fo manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ho an’ireo zaza eo amin’ny CENHOSOA. Nanome voninahitra izany fotoana izany ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena izay nisaotra manokana ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fahavitan’io tetik’asa io.
